Tanjon'ny Fanainga ny hampiroborobo fiarahamonim-pirenena mahaleotena sy naharitra izay miasa ho an'ny fitantanana demokratika sy mampandray anjara ny rehetra, ny maha-olompirenena ary ny fanatsarana maharitra ny fiainan’ny mponina. Manolotra fiofanana manokana mifanaraka amin'ny filàn'ny fiarahamonim-pirenena Malagasy ny fandaharanasa.
Manolotra fiofanana isan-karazany, manomboka amin’ny fitantanana fikambanana ka hatramin’ny fanjohiana ny asa ireo ekipa matihanina ato aminay.
Novolavolaina sy navaozina hifanaraka amin’ny filàn’ny firaisamonimpirenena ireo karazana fiofanana ary mijery ny fahasamihafana sy ny sehatra iasan’izy ireo.
Tantsoroka natao hifanaraka amin’ny zava-misy ary mora ampiharina no atolotry ny Fanainga+ mba ahazoana fahaiza-manao mafy orina.
Hahazo taratasy fanamarinana manaporofo ny fahaizamanao vaovao azonao ianao aorian’ny fanarahana ny fiofanana ato amin’ny Fanainga+.
Chargement des formations...
Chargement des annonces...
Ny fanohanana ny fikambanana (OSC) no fototry ny fanamafisana ny fiarahamonim-pirenena malagasy ho lasa tompon’andraikitra, mandray anjara ary manohana ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.
Hamantatra bebe kokoa
Midira amin’ny Internet na alaivo ny application mobile mba hahafahanao manaraka fiofanana amin’ny fotoana sy toerana rehetra mety aminao.